ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mangataka ny hanototofana ireo lava-biriky ny mponina

Fotoana famokarana biriky tokoa izay mamaraparana ny ririnina izao, ary saika hita manerana ny kaominina ety Avaradrano fa mamelona olona maro ny fanaovana biriky. Ho an’ny kaominina Ambohimangakely manokana, mampitaraina ny mponina ny mahakasika ireo lava-biriky manamorona ny lalan’ny mpandeha tongotra izay ahiana hiteraka loza raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny fokontany sy ny kaominina.

« Ny lava-biriky izany hoe ilay lavaka avy fopotra io izany, tena akaiky loatra ny lalana andehan’ny mpandalo, mivezivezy, sy ny sisa, na mpianatra ihany koa mampiasa azy izay angatahana indrindra mba handraisana fepetra ny tokony hanatotofana azy ireny satria dia miteraka zava-doza raha misy ankizy na mpandalo milatsaka ao anatin’ireny, zavatra lalina izy ireny » hoy i Vero, mponina Ambohimitsara. « Anisan’ny adinon’ny tomponan’andraikitra tokoa ny fanentanana mahakasika ireny asa fanaovam-biriky ireny. Tranga efa nisy mihitsy olona mianjera dia maty any antin’ireny lava-biriky ireny. Ny tena olana dia izy rehefa tonga ny fotoan’ny fahavaratra, betsaka ny rano, malama ny tanim-bary ka hisorohana ny loza, tsara dieny izao dia totofana izay lavaka tsy ampiasaian intsony » hoy i Haja, teknisianina, mpandinika fiaraha-monina.

Tsy voaresaka matetika ity zava-misy iray eny anivon’ny fiaraha-monina ity, saika ahitana io fanaovam-biriky io avokoa anefa ireo kaominina manodidina fa tsy Ambohimangakely ihany. Manaitra ny tompon’andraikitra araka izany mba handray fepetra, aleo tokoa misoroka dieny voalohany toa izay hitsabo ao aoriana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire