Inde : Foko nanana fomba miavaka ny Apatani
Foko iray monina ao amin’ny fanjakan’ny Arunachal Pradesh ao avaratr’i Inde ny Apatani. Anisany tena mampiavaka azy ny fanatsentsenana ny oron’ny vehivavy amin’ny « rotin » boribory maintimainty. Izany fomba fanao izany no atao hoe « Yapinghule ». Antony hanaovana io fomba io ny fanaratsiana ny vehivavy mba tsy hanintona lehilahy. Ara-tantara mantsy dia nalaza ho tena tsara tarehy ny vehivavy Apatani ka nalain’ireo foko manodidina an-keriny.
Mba nialana tamin’izany dia natao izay hanaratsiana ny endrik’izy ireo. Vao manomboka mandeha ny fadim-bolana ny tovovavy no lavahana toy ireo mitevika tsotra ireny ny tapon’orony, hitarina tsikelikely amin’ny tahona bararata na fary izany rehefa mandeha ny fotoana, mandra-pahazoana ny lavaka lehibe hatrany amin’ny dimy santimetatra any. Ho an’ireo samy Apatani mantsy arakarakin’ny mahalehibe ny lavaka amin’ny orona no maha tsara tarehy ny vehivavy.
Efa nitsahatra kosa io fomba io tany amin’ny taona 1970 rehefa tsy natahorana hisy haka an-keriny intsony ireo vehivavy.
