Ady eo amin’ny Israel sy Hamas : Efa maherin’ny 200 isa ireo vakoka sy toerana manan-tantara rava
Hatramin’ny fotoana nisian’ny ady teo amin’ny Israely sy Hamas, ny 7 oktobra 2023 ; efa maherin’ny 200 isa ireo vakoka sy toerana manan-tantara sy nanamarika ny tantaran’izao tontolo izao simba, tany an-toerana. Tao amin’ny moske Al-Omari, izay niorina voalohany indrindra tao Gaza, tamin’ny taonjato faha-7, ny rindrina sy ny andrin’ny trano sisa no mijoro vokatry ny ady. Tahaka izany ihany koa ny trano, naorina teo ambonin’ny tempolin’ny Philistin iray, izay navadika ho fiangonana Byzantine, dia rava tanteraka noho ny daroka baomba nataon’i Israely tamin’ny 8 Desambra 2023. Ny trano famakiam-bokiny, naorina teo akaikiny ihany koa, izay mitahiry ireo sora-tanana tranainy indrindra tamin’ny taonjato faha-14, dia niharan’izany ihany koa. Ankoatra ireo, ny fasana Grika, ireo sisa tavela sy vakoka Ejiptianina, sy ireo toerana manan-danja dia rava sy potika avokoa na dia notahirizina sy narovana fatratra aza izany.
