ActualitésTatitra

Mexique : Faty manoddina ny 13 no hita tao anaty vata fampangatsiahana

Polisy sendra nanenjika jiolahy iray no tojo tranga mahatsiravina tao Poza Rica, akaikin’i Veracruz izay faritra anjakan’ny herisetra mifandray amin’ny fanondranana zava-mahadomelina. Tao amin’ny trano lehibe iray no niseho ny fifanenjehana saingy tao anatin’izany dia faty voarasarasa maro tao anaty harona plastika natao tao anaty vata fampangatsiahana ireo manam-pahefana. Rehefa natao ny fisavana dia vata fampangatsiahana maro no nahitana ihany koa no nahitana izany.

Raha ny tatitra dia manodidina ny 13 ireo olona hita faty ireo. Mifandray amin’ny fanondranana zava-mahadomelina izany tranga izany raha ny petra-kevitra. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2010 dia nisedra herisetra goavana io toerana nisehoan’ny tranga io manoloana izany fanondranana zava-mahadomelina. Olona maro no hita faty tao Boca del Rio ary isany voarohirohy tamin’ny raharaha famotsim-bola sy fiaraha-miasa tamin’ny jiolahy tamin’izany ny governora teo aloha, Javier Duarte.

Laisser un commentaire