Ambohimanga: Inona no nahatonga ny anarana heo « Imanja » ?
Tanàna iray ao andrefana avaratra an’Ambohimanga no misy an’Imanja. Saika trano Ntaolo ny maro amin’ny trano hita ao amin’izao. Ny koba no nampahalaza azy tamin’izany, izay tena nahasarika olona maro avy aty Iarivo mihitsy tamin’izany. Mbola hita ao aza ny fatana ntaolo tsara rafitra tamin’izany.
« Tany aloha dia fahatr’ombin’andriana no tao Imanja tamin’ny andron’ny mpanjaka. Betsaka ny omby nompiana tao, ary karazany maro. Ny adin’ombalahy no tena fialamboly fahiny, saingy efa tsy misy intsony izany amin’izao » hoy i Victor, mpahay tantana avy any Ambohimanga Rova. « Miakatra eo Fidasiana daholo izay manana omby mpiady vaventy matanjaka, eny fa na ny hatrany an’indrana aza. Hany ka finaritra ery ny mpanjaka nijery azy ireo. Mahazo fanomezan avy amin’ny Mpanjaka izay mahasarika azy » hoy hatrany izy.
Rehefa raikitra ny fampiadiana omby dia mandeha ny kiresiresy, ny fanarabirabina, raha misy omby vahiny miseho ho tsy resy. Hoy ny mpanjaka tamin’izany : « Manja manja antsoy Imanja ny omby tsy misy maharesy mihitsy ». Misy betrena mitsoka anjombona eo Ambatomiantendro « Manja, manja ho’aho lety a » hoy izy. Tsenaina amin’ny zava-maneno mihitsy io omby io.
Ao ny mihorakoraka vakisaova dihy hitsenana azy miravaka ody. Misy ny omby tonga dia mandrongatra mitsoaka mitrifana. Tsy misy mandresy mihitsy io biby io. Io anaran’omby io no nahatonga ny anarana hoe « Imanja ».
Toky Randriamanalison
