Faritra Atsimo : Ho atomboka ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana
Ho atomboky ny Fitondram-panjakana ao amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ireo tetikasa tafiditra ao anatin’ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ireo lalana izay antoky ny fampandrosoana.Anisan’izany ny lalana Ambovombe mandalo ao Tsihombe – Beloha – Ampanihy – Ejeda- Betioky – Andranovory izay hanampy amin’ny fitaterana vokatra hiveloman’ny mponina ary ho fitaovana mahomby amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisampirenena ny hanamboarana ny lalam-pirenena fahafolo, ary maneho ny maha-mafy orina ny fifampitokisana eo amin’i Madagasikara sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena
