SocialTsidika

Vehivavy roa nangala-jaza tao amina toeram-pitsaboana iray tany Andapa

Ramatoa iray no fantatra fa nangalatra ity zaza mena vava ity araka ny famotopotorana nataon’ny polisy tao an-toerana, tao aorian’ny fitarainan’ny ray aman-drenin’ny zaza. Ramatoa roa kosa no niketrika ity asa ratsy ity hoy izy ireo hatrany. Tao amin’ny fokontany Ambodimangahely Andapa no nahitana ny zaza sy ireto vehivavy ireto izay efa eo am-pelatanan’ny manan-pahefana.

Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza ilay vehivavy iray fa nandainga tamin’ny vadiny hoe mitoe-jaza ary hiakatra hiteraka tao Andapa. Nino izany tokoa anefa i rangahy noho izy mba efa naniry zaza an-taonany maro, ramatoa koa mo be vatana rahateo. Nipetraka tao amin’ny rahavaviny ravehivavy rehefa tonga tao Andapa. Teo izy roa no niketrika izay zaza mety hangalarina ary nahafantatra fa misy zaza efa ho teraka tao amina toeram-pitsaboana iray tao an-toerana. Ilay rahavaviny no tonga nangalatra ilay zazakely ary nitondra azy nandositra araka ny fanadiahadiana hatrany ary izao saron’ny Polisy izao.

Ny Zaza moa dia efa tafaverina amin’ny Ray aman-dreniny soa aman-tsara ankehitriny. Hatraiza tokoa ny fahamafisan’izany hoe « tsy miteraka » ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire