ActualitésTsidika

Manomana fianarana mozika ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Mikarakara hetsika ara-kolotoraly hampiofanana ny tanora ao anatin’ny sehatra mozika ny Kaominina Antananarivo renivohitra izay hiarahany miasa amin’ny « Centre Académique de musique » na ny CAM ny 3 hatramin’ny 5 aogositra sy 10 hatramin’ny 12 aogositra, ny 17 hatramin’ny 19 aogositra, 24 hatramin’ny 26 aogositra ary ny 31 aogositra hatramin’ny 2 septambra ka ho faranana ny 7 hatramin’ny 9 septambra izao izany ao amin’ny Tranopokonolona Analakely.

« Fialan-tsasatry ny mpianatra amin’izao ka fotoana hialana voly sy hanaovana hetsika akoatran’ny fianarana an-dakilasy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. « Efa hetsika fanaonay matetika izao ka tamin’ity taona ity dia niara-niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izahay ho an’ireo ankizy amin’izao fialan-tsasatra izao » hoy ny solontenan’ny CAM.

Marihina fa eny amin’ny biraon’ny kaominina any Tsimbazaza na eny amin’ny CAM Ankadivato no hanatanterahana ny fisoratana anarana raha eny amin’ny tranopokonolona Analakely no hanaovana ny fiofanana mandritra ireo andro maromaro ireo. « Tsara tokoa ny hetsika tahaka izao mba hivelaran’ny ankizy sy ny tanora sahady, misy ny talenta akoatran’ny fianarana ka tsara raha trandrahana izany mba entina mandroso » hoy i Hélène, mpampianatra. Karazany maro ny mozika am-pianarina mandritra ireo daty ireo toy ny hira, piano, saxophone ary ny gitara.

Ny fahaizana mitrandraka ny talenta dia efa isan’ny mampandroso ary hitondra ny firenena manerana an’izao tontolo izao, tsara ihany koa raha dieny kely ny ankizy dia zarina handroso. Omeo sehatra ny zanantsika amin’izay mety ho tiany mba hahafahany mivelatra amin’ny manodidina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire