Etats-Unis : « A Promised Land » nosoratan’i Barack Obama no anisan’ny boky be mpividy indrindra
Lohatenin’ny boky nosoratan’i Barack Obama ny « Une terre promise ». Nivoaka ny 17 novambra 2020 izy ary mbola vao andiany voalohany amin’ny boky kasain’ity filoha américain teo aloha ity havoaka. Nanambara ny New York Times fa boky anisan’ireo be mpamaky indrindra izy ity.
Mitatitra ny zava-marina nisy rehetra nandritra ny fiadidiany ny boky. Mirakitra ireo hery fampiasan’ny firenena ihany koa izany ary ny fomba fanafoanana ny fisaraham-bazana ao an-toerana sy ny fomba hampandehanana ny demokrasia ho an’ny rehetra. Mamarana ity boky ity kosa ny raharaha nahafaty ilay djihadiste Oussama ben Laden tamin’ny taona 2011 sy ilay lehiben’ny fikambanana mpampihorohoro islamiste Al-Qaïda.
