Pays-Bas : Fandresena ho an’i Max Verstappen
Masina an-taniny ve ny mpimasy ? Nibata fandresena tao Zandvoort tamin’ny Formule 1 i Max Verstappen (Red Bull). Ny mpanamory Mercedes roalahy (Lewis Hamilton sy Valtteri Bottas) no nanaraka azy. Manaraka io filaharana io koa ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany (isa 224.5, 221.5 ary 123).
