SocialTatitra

Chine : Olona valo maty voatsatok’antsy teny an-dalambe

Lehilahy iray no namono olona miisa valo ary nandratra iray hafa tamin’ny tsatok’antsy tao amin’ny tanànan’i Xiaogan, renivohitr’i Hubei, any Chine. Tsy misy atahorana ny ain’ity iray voaratra ity, rehefa nahazo fitsaboana ara-potoana; arak any fanazavana. Lehilahy iray 53 taona no, avy amin’ny fianakaviana Lu, no nanao ity fihetsika nahavanon-doza ity ka nosamborina avy hatrany. Voalaza fa avy nanaraka fitsaboana aretin-tsaina ity farany. Tsy dia ahitana trangana fanafihana loatra ao Chine, anisan’ny voararan’ny lalàna any an-toerana ihany koa ny fampiasana fitaovam-piadiana,indrindra ny basy. Saingy tato ho ato,  indrindra hatramin’ny fanombohan’ny volana may ity, maro ireo trangana famonoana olona, tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy niseho tao an-toerana, ary efa maherin’ny folo no fitambaran’ireo namoy ny ainy vokatr’izany.

Laisser un commentaire