France : Mankalaza ny faha-70 taonany i Jean-Jacques Goldman
Mpanakanto malaza eran-tany i Jean-Jacques Goldman. Mankalaza ny tsingeritaona naterahany androany 11 oktobra izy, teraka tamin’ny taona 1951. Roapolo taona lasa tamin’ny hetsika nataony farany tamin’ny famoahany ny rakikirany « Chansons pour les pieds » izy no nanapa-kevitra tsy hihira intsony. Tsy maty nefa ny hirany hoy fahitalavitra M6 na tsy mihira intsony aza izy. Nanomana lanonana izy ireo ho fanomezam-boninahitra azy ka andraisan’ireo mpanakanato Français malaza ankehitriny anjara, anisan’izany i Florent Pagny, Bénabar, Hélène Ségara, Calogero, Claudio Capéo, Kendji Girac, Soprano, Slimane, Vitaa, Amir, Patrick Bruel, Amel Bent, Louane, Clara Luciani ary Carla Bruni.
