SocialTatitra

Allemagne : Samihafa mihitsy ny Sprinter fitaterana olona sy ny Sprinter fitaterana entana

Sprinter fitaterana entana no volena fitaratra sy asiana seza, « dia vita ny sokolà ». Izay ilay ady gasy izay efa hita ny maharatsy azy. « Cornière » na « fer angle » no hanamboarana ny seza, hany ka raha vao misy « coup de frein » kely fotsiny dia maratra daholo ny iray fiara.Fiara vokarin’ny orinasa Mercedes-Benz ny « Sprinter ». Nivoaka ny taona 1995 izy, nanoloana ny « Mercedes-Benz TN », izay antsoin’ny Malagasy hoe « K7 ». Fiaraha-miasan’ny Mercedes-Benz sy ny Volkswagen ny nanamboarana azy ary « Crafter » no anarana nentina namarotan’ity farany azy.Misy kosa ny « Mercedes Sprinter Transfer » sy ny « Mercedes Sprinter Travel », izay natokana hitondrana mpandeha. Misy ceinture de sécurité isaky ny toerana sy ny pitsompitsony hafa entina hiarovana amin’ny loza izy ireo. Ireo no mendrika hitaterana mpandeha ; fa tsy sanatria akory ka soavaly isika ka fiara fitaterana entana no mody asiana an’izao sy izao izay tsy mifandraika amin’ny fitaterana olona akory.https://www. youtube.com/watch?v=D8bBMGy6DJk

Laisser un commentaire