États-Unis : Mitondra ny tsimok’aretina covid-19 ny filoha teo aloha Barack Obama
Nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny tamba-jotra sosialiny ny filohan’i Etats-unis teo aloha Barack Obama ny alatsinainy 14 martsa teo fa voatily niabo ny tsimok’aretina coronavirus ny tenany.Efa andro maromaro hoy izy no angetangetana ny tendany fa ankoatr’izay dia salama tsara ny tenany. Nanamafy izy fa manampy azy sy ny vadiny amin’ny fiadiana ny aretina ny fahavitan’izy ireo vaksiny ary efa nahavita vaksiny fampahatsiahivana ny tenany.Nanararaotra nanentana ny mponin’i Amérique nanao vaksiny ihany koa izy tao amin’ny fanambarana izay nataony.
