Dépêches

MICC : Midina eny an-tsena ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa

15 Martsa, 12h30. Midina tsy tapaka eny an-tsena ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) mijery ny fanajan’ireo mpivarotra ny fepetra ara-barotra napetraky ny lalàna rehetra. Isan’ireo fepetra ireo ny fametrahana ny vidin’entana ara-drariny ho hitan’ny mpanjifa, ny fivarotana entana araka ny kalitao takian’ny tsena, ny fitomombanana eo amin’ny toerana hitobian’ny entana ary ny fampiharana ny tombony ara-drariny.

Laisser un commentaire