Dépêches

Harindra ny fampiasana ny seranan-tsambo

15 Martsa, 12h00. Nihaona tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny tompon-tsambo sy ny mpanafatra entana omaly. Ny 85%-n’ny entana afarana sy ahondran’ny firenena dia avy ao Toamasina ny ankahamaroany. Miteraka fitohanan’ny sambo izany ka mampisy ny « surestarie » na sazy aloan’ny tompon’entana nafarana amin’ny tompon’ny sambo. Mampitombo ny masonkarena koa izany ho an’ny entana izay tokony amidy any amin’ny faritra hafa ka misy fiantraikany amin’ny vidim-piainana. Sambo mitondra « containers » latsaky ny 40 « pieds » ihany no tafiditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, raha ny voalazan’ny tao amin’ny Fikambanana matihanin’ireo Tompon-tsambo sy Mpanafatra entana eto Madagasikara (APACM) kanefa ny sambo tena lehibe no kely ny hofany. Manoloana izany dia niroso tami’ny fandaminana sy fitsinjarana ny fampiasana ny seranan-tsambo hafa ny fanjakana sy ny APACM.

Laisser un commentaire