Sehatry ny lavanila : Ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny vidina lavanila
Dépêche 10 février, 11h, Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra anatin’ny lavanila tamin’ny Filoham-pirenena. Nifampiresahana sy nanamafisana ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ireo mpisehatra ireo ity fihaonana ity. Nivoitra nandritra izany fa ho hentitra ny avy ao amin’ny Fitondrana mahakasika ny fitazomana ny vidin’ny lavanila efa voaomana ho 250 dolara. Ny tanjona lehibe napetrka amin’izany moa dia mba hahafahana miaro ny kalitaon’ny vokatra avy eto Madagasikara. Miisa 88 ireo mpisehtra tonga tamin’ity fifampiresahana ity ka maro ny hevitra nivaingana navoitra nandritra izany.
