Royaume-Uni : Mety higadra mandra-pahafaty i Andrew Innes
Nandalo teo anoloan’ny fitsarana tao Edimbourg ny fiandohan’ny herinandro teo i Andrew Innes, 52 taona. Izy dia voaheloka namono an’i Bennylyn Burke, 25 taona sy ny zanany vavy Jellica Burke, 2 taona. Tamin’ny taona 2021 nandritra ny an-kiafina no niseho io tranga io, notsatohan’i Andrew Innes ny antsy im-betsaka i Bennylyn Burke ary novelesiny tamin’ny maritoa. Naolany ary nosemporiny kosa ilay zaza 2 taona.
Maro ireo olona nilaza fa tsy nahita an’i Bennylyn Burke sy ny zanany intsony nandritra an-kiafina saingy tsy nahalala ny zava-nisy ka tsy taitra. Tao ambanin’ny gorodon’ny lazokiany kosa no nametrahan’io lehilahy nahavanon-doza io ny razan’izy mianaka ireo. Nihaiky heloka avy hatrany moa izy saingy nandà ny raharaha fanolanana ilay zaza 2 taona.
Nohelohin’ny mpitsara ho nanolana sy namono an’i Bennylyn Burke sy Jellica Burke ihany i Andrew Innes ny alatsinainy teo. Afaka andro vitsivitsy ny fanambarana ny saziny izay heverina fa fijanonana an-tranomaizina mandra-pahafaty araky ny loharano.
