ActualitésTatitra

La Réunion : Mbola manjaka ny « dengue »

Mbola tsy mitsahatra mivezivezy ao La Réunion ny valan’aretina dengue, izay azo avy amin’ny kaikitry ny moka, amin’izao fotoana izao. Miisa 1 382 ny tranga voamarina nanomboka ny 3 hatramin’ny 9 may lasa teo. Efa mahatratra hatramin’ny 300 ireo ao amin’ny vonjy maika izay atahorana ny fahasalamany. Sarotra ny mety hahatafavoahana haingana amin’ity aretina ity satria matanjaka loatra ny fifindrany. Efa manomboka tony kosa ny Covid-19 any an-toerana, raha 922 ny tranga hita ny herinandro farany teo. Ary efa miala amin’ny fihibohana ny any an-toerana, toy ny any France ihany.

Laisser un commentaire