ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Hisy fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpianatra

Tsy voatery hiandry ny taom-pianarana manaraka ny mpianatra vao afaka fanadinana Baccalauréat tamin’ity taona ity vao hanomboka ny fianarana amin’ny ambaratonga ambony. Afaka misitraka fampiofanana ho matihanina izy ireo raha toa ka mbola tsy misokatra ny taona akademika ho an’ny taona 2021-2022. « Ny ankamaroan’ny sampana ambaratonga ambony samy ahitana ity fampiofanana ity avokoa », hoy Ravelonandro Pierre, filoha lefitry ny oniversite an’Antananarivo.

Fampiofanana ampitain-davitra izy ity (FOAD, Formation ouverts à distance) izay misokatra ho an’ny lalam-piofanana fitantanana na gestion. Eo ihany koa ny fampiofanana amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana. Manarak’izany ny fampiofanana amin’ny Cosmétologie ao amin’ny lalam-piofanana ara-tsiansa. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny ao amin’ny sampana fitrandrahana sy ny haibolantany ary ny politekinika izay samy ahitana izany avokoa.  

« Mampiavaka ny fampiofanana amin’ny fampianarana akademika ny fahamoran’ny fahitan’ny mpianatra asa avy hatrany », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny oniversite Ankatso. Arak’izany, mamaly ny filàn’ny tanora amin’ny fitadiavana asa ity rafitra iray napetraka ity satria misy ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny fampiofanana. Hanodavam-bola ny fampiarana ary tsy mitovy ny saram-pianarana araky ny fampiofanana ilain’ny mpianatra. Raha ho an’ny lalam-piofanana momba ny fitantanana ohatra, mitentina 520 000 Ariary ny sarany.

Maro ny mpianatra liana amin’ity fampiofanana ity. « Mahaliana ahy ilay fampiofanana ampitain-davitra satria afaka sady miasa no mianatra », hoy i Hery, nijanona tamin’ny fianarana rehefa nahazo licence. Ho an’ny afaka fanadinana baccalauréat farany teo indray, maro ihany koa ny te hanao izany. « Aleo manao ity fampiofanana ity satria maro ny afaka fanadinana teo kanefa vitsy ny ho raisina hiditra amin’ny ambaratonga ambony ato Ankatso », hoy i Miaro, mpianatra. Voafetra ny toerana raha te hiditra amin’ity fiofanana ho matihanina ity ny mpianatra. Ho an’ny politekinika ohatra, miisa 20 isaky ny fampiofanana ny mpianatra raisina. Ny FOAD kosa tsy mametra ny mpianatra hiditra ao aminy. « Afaka misoratra anarana avokoa hatramin’ny olona efa miasa satria fampiofanana ampitain-davitra no atao », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Andy Rafidimanana

Laisser un commentaire