Nitranga hain-trano goavana indray tany Mananara avaratra.
17 Novambra, 07h00. Trano an-jatony no nisy nandoro tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahanoro distrikan’i Mananara Avaratra. Ny alin’ny talata 16 novambra lasa teo no nitranga ny loza, tokony ho tamin’ny siy ora alina. Trano voarafitra tamin’ny hazo avokoa ny ankamaroan’izy ireo ka tsy nanano sarotra ny fiparitahan’ny afo.
