Dépêches

Fitandroana ny filaminana: Nodorana ireo trano voalaza fa fieren’ny jiolahy.

Dépêche 21 octobre, 13h, Mba ho fitandroana ny fahalemana any amin’ny faritra mena toa ireo kaominina amin’ny Distrikan’ny Anjozorobe ity dia nofoanana ireo trano sy ireo toerana fipetrahan’ireo jiolahy. Voalaza fa nisy sekoly tamin’ireo nodorana saingy voamarina kosa fa fieren’ny jiolahy io toerana io ka tsy maintsy noravana. Etsy andaniny anefa dia efa nifanarahana tamin’ny mponina io fandravana io ary ireo mponina rehetra dia tsy nisy naratra fa efa nafindra toerana avokoa mba ahafahana miaro ny ain’izy ireo. Ireo mponina ireo izay samy niaiky tokoa fa fieren’ny jiolahy ireo toerana ireo asingy matahotra ny valifaty raha mitoroka. Ny zavatra toy izany no ilaina ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana hatrany amin’ny toerana lavitra andriana any.

Laisser un commentaire