ActualitésTsidika

Toe-karena: Nitombo avo efatra heny ny vola hampidirin’ny fanondranana Jirofo

Nandritra izay sivy volana nisokafan’ny fanondranana ny jirofo izay dia hita fa nahazana vokatra tsar izany tamin’ity taona ity raha mihoatra ny tamin’ny taon-dasa. Niakatra avo efatra heny mihoatra ny tamin’ny 2021 ny vola hampdirin’ny fanondranana jirofo tamin’ity 2022 ity.

Araka ny fantatra dia manana kalitao avo raha mitaha ny any amin’ny firenena hafa ny jirofo avy eto Madagasikara ka izay indrindra no mahasarika ny olona manjifa izany. Maro ny vokatsoa entin’ny jirofo amin’ny fiainan ara-pahasalamana. Maro ihany koa anefa ny fomba afaka hampiasana ny jirofo amin’ny sehatra maro. Mbola mitana ny anjara toerany lehibe amin’ny toekarena eto Madagasikara noho izany ny voly jirofo izay tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy.

“Nitombo 224.7 tapitrisa dolara ny vola nampidirin’ny fanondranana jirofo tamin’ity 2022 ity. Izany hoe nahitana fitomboana hatramin’ny 172.2 tapitrisa dolara izany raha 52.5tapitrisa dolara kosa tamin’ny herintaona. Nahitana fiakarana be izany noho ny kalitao sy ny habetsaky ny vokatra azo’, hoy ny avy ao amin’ny Banky Foiben’ny Madagasikara.

“Mbola anisan’ny mitondra ny anjara birikiny mamelona ny toekarena Malagasy ny Mpanondrana jirofo, somary manano sarotra anefa ny fangatahana handraharaha amin’io sehatra io. Ilaina fanarenana izany sady ilaina fanovana”, hoy Jaona, mpandraharaha.

Tsy ny rteo anivon’ny fanondranana jirofo ihany anefa no nahitam-bokatsoa tahaka izao fa teo ihany koa ny sehatry ny vato sarobidy, ny fambolena ary ny “zones franches”. Efa misokatra ny fametrahana antontan-taratasy fangatahana alalana hanondrana jirofo ho amin’ny taona 2022 – 2023 eny anivon’ny Ministeran’ny Varotra ka tsy hifarana izany raha tsy ny faran’ity volana oktobra ity.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire