Fahasalamana : Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahamailoana ara-pahasalamana isika izao
Efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fahamailoana ara-pahasalamana ny faritra Analamanga, Vakinakaratra ary Matsiatra Ambony. Mila hamafisina tsara noho izany ny fanentanana ara-pahasalamana rehetra manoloana ny fiparitahan’ny aretina covid-19.
« Miantso ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izahay hanamafy ny fanentanana ireo mpiara-belona. Miha antomotra ny fety. Miha gaboraraka ihany koa ny fanajana ireo fepetra sakana sy ny fitondrana aro-vava orona. Ireo hatreto no antoka iray voalohany entina hisorohana ny valanaretina » hoy i Dr Rakotonandrasana Adolphe, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
« Manentana ny tsirairay hanatanteraka vaksiny. Manamafy ny hery fiarovana ny fanaovana vakisiny ary miaro ihany koa amin’ny tsy fahatongavana amin’ny tranga misy fahasarotana » hoy i Dokotera Lanto. « Tsy maintsy mihinana ny olona na eo aza ny aretina. Tokony hisy ny tohana hisitrahan’ny rehetra na ny eny an-dalambe aza izay atao isak’herinandro ho an’ny rehetra » hoy i Patrick, raim-pianakaviana monina ao amin’ny 67Ha.
Miakatra tokoa ny isan’ny tranga vaovao tato ho ato. Inona no tokony atao ? Ny olona tsy maintsy mivoaka misakafo. Tsy maintsy ny hampanajaina ihany ny fepetra fa tsy misy vahaolana hafa.
Nicole Rafalimananjara
