ConseilTsidika

Torohevitra : Ireo sakafo tsara hoanina mandritra ny fitondrana vohoka

Saro-pady ny fitondrana vohoka ; zava-dehibe ary manan-danja amin’ny olona rheetra izany mitondra vohoka izany. Ilaina ny misakafo tsara rehefa amin’io fotoana io hahafahana manana zaza salama. Ahafahana ihany koa manana vatana tomady satria ilaina izany.

Rehefa bevohoka dia ilaina ny mihinana sakafo manan-karena calcium. Manampy ny fahamafisan’ny taolan’ny zaza sy ny fivoarany izany. Ao anatin’ny vokatra rehetra avy amin’ny ronono no ahitana izany betsaka ary anjaranao ny mifidy sy manovaova izany. Mifanaraka amin’ity fihinanana calcium ity dia ny vitamine D izay hanampy ny zazakely hitahiry tsara ny kalsioma izay homena azy. Ny fomba hazahoana izany dia tsy avy amin’ny sakafo fa avy amin’ny masoandro. Ilaina ny maka masoandro mandritra ny 15 minitra isan’nadro rehefa mitondra vohoka.

Manaraka izany ny vitamine B9 mampivoatra ny sain’ny zaza ny fihinanana ireto sakafo ireto. Raha tsy ampy izany ny zaza dia mety hanana olana amin’ny fivoaran’ny saina. Ao anatin’ny « épinard » no tena ahitan izany betsaka, eo ihany ko anefa ireo legioma isan-karazany toy ny anana, tsy ambakan’izany ny atody, ny fromage, izay samy ahitana izany vitamine B9 izany avokoa.

Farany dia ny sakafo manankarena « fer » izay avy amin’ny alalan’ny fihinanana hena sy ireo legioma maina izay ahitana izany betsaka.

Miaraka amin’ny fihinanana izany sakafo rehetra izany dia ilaina ny misotro rano betsaka. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fisotroana rano izay tokony ho 1,5 litatra isan’andro. Eto amin’ity dia tsy ny olona mitondra vohoka irery ihany no toroana hevitra amin’izany fa ny rehetra mihitsy.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire