ActualitésTatitra

France : Ankizivavy mpianatra iray indray no nikasa hamono tena tao Toulouse

Ankizivavy 13 taona iray no nikasa namono tena tao Toulouse. Nitsambikina avy teny amin’ny rihana faha-4 ny trano fonenan’izy ireo tao Mirail io tovovavy io rehefa irery tao an’efitranony. Raha ny petra-kevitr’ireo manam-pahefana dia raharaha herisetra any an-tsekoly (harcèlement scolaire) no anton’io fikasana hamono tena io. Marihina fa mpianatra ao amin’ny kolejy Jules Michelet ao Ville Rose io ankizivavy io.

Vetivety ihany moa dia tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny mpamonjy voina ka avotra soa aman-tsara ilay zazavavy na dia mitondra takaitra aza. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana momba ny raharaha « herisetra any an-tsekoly » ao amin’ny sekoly hianaran’io tovovavy io. Hisy ihany koa ny fanadihadiana ataona amin’ny fianakaviany manoloana ny toe-pasalaman’ny sainy.

Raha tsiahivina dia tsy vao voalohany ny trangam-pamonoan-tena noho ny herisetra any an-tsekoly tao Europe. Inona tokoa ny fepetra mety tena mahomby hanafongorana izany ?

Laisser un commentaire