Anjeva : I Anjeva sy Manohisoa no hihaona amin’ny lalao famaranana
Hotontosaina ny 15 may 2022 ho avy izao ny lalao famaranana ny baolina nihaonan’ny fokontany tao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Ny Fanilo Manohisoa sy ny Interpool Anjeva no hifanandrina mandritra izany.
« Tena hahafinaritra ny lalao. Ny henjana sy mafy roa tonta no hihaona amin’io fotoana io. Manentana antsika rehetra ho tonga amin’izany » hoy i Andry, mpikarakara. « Samy zanaky ny kaominina avy ireo. Lalao ho entina hanamafisana hatrany ny firaisan-kina sy hampiroboroboana ny baolina kitra no natao. Rehareha lehibe ho antsika ny fisiany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anjeva.
Niady tokoa ny lalao tamin’ny lalao manasa-dalana teo. Hita ho faly sy afaka miala voly tokoa ny vahoaka. Miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
