ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Efa namboarina ilay fantson-drano vaky  

Nisy ny antso avo nataon’ny kaominina ny 9 may lasa teo noho ny fahavakisan’ny fantson-drano tamin’ny lalam-pirenena fahatelo. Niteraka fanelingelenana ho an’ny mpampiasa lalana mantsy izy ity.

« Isaorana ny Jirama namaly avy hatrany ny antso natao ka nanamboatra ny simba tety amin’ny faritra Ankadikely Ilafy. Niteraka fanelingelenana ho an’ny mpampiasa làlana sy ny fifamoivoizana izany mantsy izany. Ahiana hiteraka fahasimban’ny làlana ihany koa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Isaorana hatrany isika amin’ny faiaraha-miasa. Isan’ny manampy betsaka anay amin’ny asa ny fizarana ny olana misy eny ifotony toy izao. Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana eto amintsika » hoy ny avy ao amin’ny Jirama.

Tsara tokoa ny fandraisana andraikitra haingana mba ho fisorahana ny fihitaran’ny fahavoazana mety hiseho. Ilaina foana ny fizarana ny olana eny ifotony amin’ny tompon’andraikitra tahaka izao mba hanamorana ny famahana ny olana.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire