Sehatry ny asa : Laharam-pahamehana ny fampiofanana mahakasika ny SST eny anivon’ny orinasa
Mbola mijanona ho mampanahy hatrany ny mahakasika ny fenitra fiarovana sy ny fahasalamana amin’ny teoram-piasana (SST). Maherin’ny 2 000 isan-taona ireo loza mahazo ny mpiasa am-perin’asa eto Madagasikara. Araka izany dia ho laharam-pahamehana ny tsy maintsy hametrahana io « norme sécurité et santé au travail » io manerana ny Nosy. Hohamafisina izany mandritra ny andro iraisam-pirenena amin’ny SST izay ankalazaina isaky ny 28 aprily. Ny fankalazana izany eto Madagasikara dia efa nanomboka ny 24 aprily teo ary tsy hifarana raha tsy ny zoma izao. Milohahevitra hoe « toeram-piasana azo antoka sy ara-pahasalamana ».
« Ny teo anivon’ny sehatry ny BTP no tena hananana isa maro mahakasika ireo olana sy loza mitranga am-prein’asa. Araka izany dia mandray andraikitra ny centres nationaux d’enseignement et de formation en BTP (CNEF-BTP). Tsy maintsy hampidirina anatin’ny fampiofanana araka izany fanarahana sy ny fampiharana ny SST eny anivon’ny orinasa », hoy ny avy ao amin’ny OIT.
Fifanarahana izay niarahana tamin’ny MTEFPLS sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ity fanavaozana ny fampiofanana ity. Hisy ny fitsirihana eny anivon’ny orinasa ahafahana mamantatra ny mety hiteraka ny olana sy ny tsy fahampiana isan-karazany. « Tsy hanasazy ireo orinasa izay tsy manaraka ny fenitra no tanjona fa ny ahafahana mikaroka vahaolana ahafahana manatsara izany. Eo ihany koa ny hampatonga saina azy ireo amin’ny andraikitra tokony ho raisiny manolona ny tranga amro samihafa », hoy kosa ny avy ao amin’ny MTEFPLS.
Ny 28 aprily izao no tena hankalazaina io andro maneran-tany io ary ny tanjona amin’izany dia ahafahana mikaroka ireo ezaka tokony hatao sy ny hetsika atao mba hiatrehana ny fanamby amin’ny fenitra fiarovana sy ny fahasalamana anya m-piasana. Mandritra izany ihany koa no hanentanana ireo orinasa tsy ara-dalàna hiditra amin’ny maha ara-dalàna ahafahan’izy ireo misitraka ireo tombontsoa ao amin’ny Ministera.
Miora Raharisolo
