Seychelles: Mitsiriritra ny « hydravions » an’i Maldives ny nosy
Nitsidika an’i Maldives ny filohan’ny nosy Seychelles, Ramkalawan. Nitsiriritra fatratra ny « hydravions » ny nosy izy nandritra izany raha ny fanazavana. Marihana fa ny orinasa Maldivian Airways no manana ny « hydravions » lehibe indrindra eran-tany. Manana fiaramanidina tsy latsaky ny 61 izy ireo.
Io karazana sidina io dia tsy mila fiantsonana fiaramanidina, avy hatrany dia mipetraka eny ambony ranomasina ny fiaramanidina. Tombony lehibe ho an’ny nosy izany ary sehatra azo trandrahana soa aman-tsara. Naka traikefa sy fanazavana tao amin’ny Maldivian Airways ny filoha manoloana izany nandritra ny fitsidihany ary nilaza ny tenany fa sehatra iray ahafahana mampiroborobo ny fizahantany io « hydravions » io.
