Kenya : Tafiakatra 400 mahery ireo namoy ny ainy vokatry ny fifadian-kanina
Nanomboka ny volana aprily teo dia olona maro avy amin’ny fiangonana zandriny iray antsoina hoe «Église internationale de Bonne Nouvelle » no nanao fifadian-kanina tafahoatra tao Kenya. Manoloana izany dia an-jatony ireo namoy ny ainy. Hatramin’io daty io ia olona 403 isa no maty vokatr’io fifadian-kanina io raha ny antontan’isa farany navoakan’ny tompon’andraikitra.
Tao anaty ala ny Shakahola no nahita ny ankahamaroan’ireo razana ireo ary tao an-toerana ihany koa no nahitana ny razana voalohany telo volana lasa izao. Raha tsiahivina dia i Paul Nthenge Mackenzie, lehilahy iray milaza azy ho mpitandrina no nitarika io fiangonana io ary izy no nandrisika io fifadian-kanina hatramin’ny fahafatesana io mba “hihaonana amin’i Jesoa”.
Marihana fa mpitondra fiara karetsaka io lehilahy io talohan’ny naha mpitandrina ary hatramin’ny 14 aprily dia efa notanana am-ponja noho ny fampihorohoroana (terrorisme) ny tenany. Raha ny fanazavana kosa dia ankoatran’ireo maty ny hanohanana dia nisy tamin’ireo olona ihany koa maty nokendaina, nosemporina ary nodarohana mba tsy hitsoaka ny ala ary ka hanapaka ny fifadian-kaniny.
