Guinée : Voafonja am-polony no navotsotra tao aorian’ny fanonganam-panjakana
Nitàna ny fampanantenana nataony tamin’ny famotsorana gadra politika ny “putschiste”na ny mpanongam-panjakana ao Guinée. Ireo mpanohitra ny fitondrana voasambotra nandritra ny fanonganana an’ny filoha Alpha Condé ireo navotsitra ireo.Anisany nivoaka io fonjan’i Conakry io ny mpanohitra Abdoulaye Bah sy Etienne Soropogui hatramin’ny mpiaro amin’ny fitondrana Ismaël Condé. Teo amban’ny fahefan’ny kolonely Balla Samoura sy Moussa Tiegboro Camara io famotsorana voafonja io
