Espagne : Rongony 26 taonina saika hahondrana tao France tratran’ny polisy
Fiara vaventy iray nitondra rongony 26 taonina no tratran’ny polisy Espagnol ny alin’ny 5 septambra teo tsy lavitr’i Grenade ao amin’ny tanànan’i Andalousie. Ny polisy Français no nampandrehy ireto polisy espagnol ireto raha ny fanazavana. Efa nanara-maso io fanondranana io ny Ofast na ny polisy Français miady amin’ny zava-mahadomelina hoy ny loharano. Olona fito kosa no voasambotra nandritra ity raharaha ity, nisy teratany Espagnol dimy ary teratany Français roa. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana izy ireo saingy maharitra 96 ora ny fampiakarana ny raharaha tahak’izao ao an-toerana.
