France : Fa inona marina ny zava-nisy 13 novambra 2015 ?
Nisehoanaa fanafiana nandoza sy fifampitifira nahery vaika tao France ny 13 novambra 2015. Baiko avy tamin’ny mpampihorohoro « islamique » io fanafihana nizara teo nazava tsara tao Paris sy ny manodidina azy io raha ny fanazavana. Tao Saint-Denis akaiky ny kianjan’i France no lasibatra voalohany tami’izany izay nisy lalaom-pirahalahiana France-Allemagne. Tao amin’ny boriborintany faha 10 sy faha 11 kosa ny faharoa ary tao amin’ny « Théâtre du Bataclan » ny fahatelo.Nanomboka ny 8 septambra teo kosa ny fitsarana ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity, izahay mahery 20 misy an’i Salah Abdeslam. Niavaka izany noho izy anisan’ireo tena nanan-tantara sy nahafaty olona maro ka nisy mpisolo vava 330 sy sivily 1 800 ary vavolombelona maherin’ny 300 izany.
