Biélorussie : Hiresaka amin’ny antenimiera ny filoha Alexandre Loukachenko
Hiresaka amin’ny Parlemanta androany ny filoham-pirenena Alexandre Loukachenko raha ny Filan-kevim-pilaminan’ny firenena mikamba hivory mikasika ilay fanodinana ny fiaramanidina teny an’habakabaky ny Eoropeanina. Voarohirohy ho nanodina ity fiaramanidina ity manko ny filoha Alexandre Loukachenko ka androany no hiresaka manoloana ny parlemanta izy. Tsy nahenoana feo mihitsy ity filoha ity nanomboka ny Alahady lasa teo izay nisehoan’ny fanodinana ilay fiaramanidina raha nilaza ny mpanara-maso an’habakabaka fa misy baomba nanery ny mpamily izany hamonjy an’i Minsk. Hivory mikasika izany androany ny avy ao amin’ny firenena mikambana raha tokony hanohitra ny fanomezan-drariny ny Bielorussie ny Russie. Nilaza anefa ny filohan’ny dilpaomasia any Allemagne fa hovidian’i Alexandre Loukachenko lafo izao hetsika izao. Mbola namoaka ny hatezerany ihany koa ireo mpitondra ao Europe sasany omaly.
