ActualitésTatitra

Inde : Tovolahy iray tsy nahazaka ny faneriterin’ny ray aman-dreniny no nanao izay nidirany am-ponja

Tovolahy 16 taona monja no nanapa-tenda ankizy 13 taona tao Ghaziabad ao Inde. Teny amin’ny lalana Delhi-Meerut no nisehoan’io tranga io.

Raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana dia nilaza io tovolahy io fa efa nomaniny nandritra ny 5 volana io famonoana olona io mba ahafahany manatsahatra ny fianarany. Tsy te hianatra intsony io tovolahy nahavanon-doza io. Niatrika ny faneriterin’ny ray aman-dreniny nefa ka nalehony nidoboka tany am-ponja.

Laisser un commentaire