RN7 : Tratra ireo jiolahy mpanakan-dalana
Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary sy ireo andrimasom-pokonolona dia tra-tehaka ireo jiolahy mpanakan-dalana amin’iny RN7 iny.
Vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nitrangàna fanafihana tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, manodidina an’Imadiala faritra Amoron’i Mania, ary nahaverezana vola an-tapitrisany. Teo ihany koa ny fanakanan-dalana nataon’ny dahalo teo amin’ny Pk 82+700 Menabe Lovainjafy, CR Ambohimpihaonaba, Distrika Ambatolampy.
« Noho ny tranga hita maso sy fitarainana avy amin’ny olona dia niantso anay andrimasom-pokon’olona ny zandary eto an-toerana ka natao ny fiaraha-miasa tamin’ny alalàn’ny velam-pandrika, rehefa nahare ny antso avy aty aminay ny zandary sy ny ben’ny tanàna dia niroso tamin’ny fanenjehana, mbola nitady lalana handositra ihany anefa ireo jiolahy ka lavon’ny bala ny roa ary mbola karohina ireo ambiny » hoy i Sely andrimasom-pokonolona ao an-toerana.
« Tsy amelanay raha tsy voafongotra tanteraka ireo jiolahy ireo na dia rain-dahiny aza, raha ny fantatra mantsy dia manana basy mihitsy ireo, ary tena tamba-jotra mihitsy, ka mba ho fiarovana ny ain’ny olona sy ho fitandroana ny filaminana no anaovanay izao » hoy i Njato zandary ao an-toerana.
Naneho ny heviny mahakasika izany ihany koa ny mpahay lalàna : « Anisan’ny laharam-pahamehana ny fitandroana ny filaminana, ary efa nahavita ezaka be ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’izany, izany hoe tsy ny eny amin’ny RN-7 ihany anefa no misy ny toy izany fa ny eny aloha izao no mafanafana dia izao hitam-poko hitam-pirenena izao.
Raha ny voalaza dia nisy fiara tsimataho-dalana sy Sprinter mihitsy nitondra ireto jiolahy andiany maro, izany hoe drafitr’ireto jiolahy maty paika mihitsy io fanafihana io. Ny fanontaniana manitikitika ny sain’ny maro dia hoe : « fa angaha tsy tokony ho savaina ny fiara eny amin’ireny lalam-pirenena ireny ? Ary avy aiza ihany koa no nahazahoan’ireto jiolahy ireo basy maromaro ampiasainy ? »
Ny fampisaina fitaovam-piadiana anie ka mila fahazoan-dalana. Sa ny ao amin’ny sampan-draharaha miandraikitra izany mihitsy no misy kolikoly avo lenta, ka mahatonga ny fivoahan’ny fitaovam-piadina tsy ara-dalàna ?
Lovasoa Tojonirina
