ActualitésTsidika

Mila arovana manoloana ny herisetra ny zaza

Tao anatin’ny volana maromaro izay dia hita fa nirongatra ny herisetra, na ara-batana na ara-tsaina, indrindra ny ara-nofo. Saika nahitana ny olona lasibatry ny herisetra avokoa na ny lahy na ny vavy na kely na lehibe. Fa ny tena mampalahelo dia ny fametavetana ireo zaza tsy ampy taona, marefo tsy manana hery hanoherana ny mpanao herisetra.

Efa betsaka ireo sampana miady sy manohitra tanteraka ny herisetra atao amin’ny ankizy na toy ny inona endriny ary isany amin’izany ny Polisim-pirenena. « Mila fiarovana ireo zaza Malagasy amin’ny herisetra mety hianjady amin’izy ireo eo amin’ny fiarahamonina, mila arovana amin’ny zony izy » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Tompon’andraikitra ny ray aman-dreny, ary indrindra ny mpampianatra amin’ny fiarovana sy fisorohana amin’ny mety hisian’ny herisetra. Isika aloha no tokony hiaro ny zanantsika voalohany dia manaraka ho azy ny hafa rehetra » hoy ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.

« Raiso ny andraikitra ry ray aman-dreny amin’ny fiarovana ny zanaka mba tsy ho azon’ny herisetra, omeo azy ny zony feno mba hahafahany manomana am-pilaminana ny hoaviny » hoy ny ny Talen’ny kabinetran’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, Randriambelo Mandimbin’ny Aina Mbolanoro. Mitety sekoly mihitsy amin’izao fotaona izao ny Polisim-pirenena miady amin’ny herisetra ka manao fanentanana ho an’ireo mpampianatra momba ireo fomba hiarovana ny zaza amin’ny herisetra.

Fa inona tokoa no tena mampirongatra ny herisetra amin’ny zaza ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire