ActualitésTsidika

Ambohipiainana Ambohimangakely : Nasiam-panatsarana ny EPP, efa am-polon-taona tsy nisy fanamboarana

Nisy ny fanavaozana farany ny EPP Ambohipiainana izay nataon’ny Kaominina Ambohimangakely ho fanatsarana ny anatiny sy ivelan’ny sekoly niaraka tamin’ireo mpandraharaha ary ireo malala-tanana.

Miisa 110 no mpianatra mianatrav ao amin’izany EPP izany amin’izao izay tafiditra ao amin’ny ZAP Atsimombohitra. « Niorina tamin’ny taona 1978, tamin’ny 1982 no nisokatra ny Sekoly, tamin’ny taona 2000 no nisy fanavaozana Farany, Kilasy Taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy ary efitrano fianarana 3 no misy ao an-toerana » hoy i Ranaivo, zokiolona ao an-tanàna.

« Mila fanatsarana ny sekoly entina hanomezana sehatra ny fanabeazana ary izany rahateo no antom-pisian’ny kaominina” hoy Radafindranaro Thierry, ben’ny tanànan’Ambohimangakely. « Efa ela tokoa no tsy mba nisy fanavaozana ity sekoly ity kanefa efa azo lazaina ho betsaka ihany ny mpianatra nivoaka teto » hoy i Albert, ray aman-drenin’ny mpianatra.

Marihina fa 7 kilometatra miala ny tanàn’Ambohimangakely no misy ity EPP Ambohipiainana ity. Tsara raha samy manolokolo sy mikajy ireo fananana iombonana isika, mba hodimbiasin’ny taranaka faramandimby. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire