Toliara: Asa maro ho fampandrosoana sy fanovana ny endrika ny tanàna
Velirano faha 11 izay tanterahin’ny avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana mahakasika ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) ireto hatao ao Toliara ireto.
Tetik’asa miisa 4 no hatomboka ao amin’ny tanànan’ny Toliara. Toy ny tany Toamasina dia nampahafantarina ny vahoana sy ny olona rehetra ihany koa ny tetik’asa Miami Toliara ka neken’ny rehetra ny fanatanterahana izany. Ankoatra ity Miami ity dia maro ihany koa ny asa natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana.
« Natomboka ny asa fanajariana ny tanàna vaovao Andranomena Toliara tamin’ny allan’ny fametrahana ny “basin tampon” ho fiarovana amin’ny tondra-drano. Ho fitsinjovana ny fanitarana ny tanàna no antony hanajariana ity tany 50ha ity no tanàna vaovao. Eo no handraisana ireo gare routière, parking poids lourds ary ireo mety ho biraom-panjakana”, hoy ny avy ao amin’ny SENVH.
“Feno mihitsy ny fadnaharam-potoana taty Toliara ho fampandrosoana ny tanàna. Ankoatra ireo izay efa voalza ireo dia hatomboka ihany koa ny fanajariana ny gradin tribunefanaovam-baolina Miary sy fanamboarana ireo lalana hatao tara ao anatin’ny tanàanan’ny Toliara”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tetik’asa maro natao hanomezana endrika vaovao ny tanàna sy natao hampandrosoana ny faritra tsirairay. Hisitraka tetik’asa maro tahaka izao isaky ny faritra ho fampandrosoana ifotony. Hirariana ho fotodrafitrasa maharitra ho an’ny taranaka mifandimby no vita amin’izany.
Miora Raharisolo
