Varotra: “vary mainty”, efa azo jifaina.
Dépêche 20 octobre, 14h, Ankoatra ny makalioka, ny vary gasy, ny tsipala ary ao ihany koa ny dista, izay karazam-bary samy be mpanjifa eny amin’ny mpivarotra rehetra eny. Amin’izao fotoana dia mahita karazam-bary hafa indray ireo mpikaroka dia ny “vary mainty” izany. Mario ny singa mandrafitra azy io ary mbola mitondra zava-tsoa maro kokoa noho ireo karazam-bary hafa ireo. Lafo kokoa ny vidiny raha mihoatra ny vidin’ireo vary efa taloha ireo ary mbola tsy hita eny amin’ny mpivarotra mahazatra fa matetika dia any amin’ny trano fivarotana lehibe ihany hatreto no tena ahitana azy. Ny mpamokatra azy ihany koa dia mbola vitsy ka izay no anisan’ny mampalafo azy io.
