Dépêches

Tontolo iainana: Velaran-tany mirefy 24ha novolena Honko

Dépêche 15 décembre, 15h, Madagasikara rakotra ala, izany no tanjona lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana hanarenana ny tontolo iainana izay efa latsaka an-katerena tanteraka. Mitana anjara toeraan lehibe amin’izany ny ala Honko ka izany no antony nanaovana izao fambolena izao tao Ambanja. Ankoatra ny soa ho an’ny tontolo iainana dia fampiroboroboana ny toe-karena manga ihany koa no antony hanaovana izany satria raha ala honko 1km toera-droa dia mety hahazoana drakaka 2.5taonina. Sehatra izay mbola maro mpisehatra tokoa izany ka nazoto ireo fokonolona mihoatra ny 400 nanatanteraka ny fambolena. Notolorana fitaovana ho an’ny mpanjono ihany koa izy ireo, izay nahitana harato, tady, ary “glacière”.

Laisser un commentaire