Fanabeazana : Ho ampiana ny isan’ireo mpanabe ny ankizy manana fahasembanana
Dépêche 21 décembre, 17h, Hanampy ny ankizy kely sy ireo izay manana fahasembanana ny avy ao amin’ny UNICEF amin’ny alalAn’ny programan’asa « Back to School and Learning ». Izany dia mba hahafahana manatratra ny tanjona mahakasika ny fampianarana ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Hanamafy ny fahazai-manaon’ny mpampianatra miisa 3800 izy ireo amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpampianatra mba ho afaka handray ireo ankizy izay mila faanaraha-maso manokana. Ny tanjona lehibe amin’izany moa dia ny mba hisitrahan’ny ankizy rehetra ny zony amin’ny maha mpianatra azy ireo.
