Comores : Tontosa ny fanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny nosy sy Egypte
Tontosa ny herinandro lasa teo ny fanaovana sonia ny « Mémorandum d’Entente » teo amin’ny sehatry ny tolotra an’habakabaka teo amin’i Comores sy Egypte. Ny minisitrin’ny fifanterana an-dranomasina sy an’habakabaky ny vondronosin’i Comores sy ny orinasam-piaramanidina Egyptair Holding Company no nanatontosa ny fanaovan-tsonia, teo ambany fanaraha-mason’ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny fifanarahana iraisam-pirenena misahana ny Diaspora sy ny Francophonie.
Teboka lehibe nandritra io fanaovan-tsonia io ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny orinasam-piaramanidina nasionaly hoy ny tale jeneraly ny ministeran’ny raharaham-bahiny, Faiçoil Mohamed Djitihadi sy ny filoha lefitry ny Egyptair, Mohamed Ibrahim Moussa.
