ActualitésTsidika

Masindray : Handray anjara amin’ny tournoi any Analamanga Park ny Buffalo Masindray

Hisy ny tournoi baolina kitra izay atao any Analamanga park, izay hilalaovan’ny u9 sy ny u11, amin’ny 27 sy 28 Desamabra ho avy izao, izay handraisan’ireo klioba maro anjara ka anisan’izany ihany koa ny Buffalo Masindray. Mitohy hatrany ny fanazara-tena ataon’izy ireo etsy ankilan’izany, raha ny voalaza.

« Mitohy hatrany ny fanzara-tena ataon’ireo mpilalao ato amin’ny sekolin’ny baolina kitra amin’izao fialatsasatry ny noely izao; misy ihany koa etsy ankilan’izany ny fanomanana amin’ilay tournoi izay atao any Analamanga Park » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Tounoi ho an’ny U9 sy U11 no hiseho eny Analamanga Park kanefa afaka mandeha amin’ilay tounoi avokoa ny sokajy rehetra indrindra na ireo avy eny Ambohijanaka na Masindray. Marihina ihany koa fa misy ny fandraisana anjara izay ho ampahafantarina ireo ray amandreny miandalana » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.

Manosika hatrany ny ankizy, indrindra fa ireo mpianatra ny taranja baolina kitra ny lalao tahaka izao. mila fanohanana hatrany araka izany ity taranja ity mba hampiakatra ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire