ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tsy olana ho an’ny kaominina ny fifehezana ny fako

   Manomboka hita ny vokatra amin’ny fampiharana ny fifehezana sy fitantanana ny fako, amin’ny alalan’ny servisy Raoka fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ho feno iray taona amin’ity volana janoary ity ny nisian’izany service mitantana ny fako izany ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Efa miroso isika ary mety ho taratry ny kaominina hafa raha mitohy ny ezaka, tadidio fa miainga amin’ny tsirairay ny fanovana ho amin’ny fampandrosoana. Resy lahatra amin’ny paikady ifehezana ny fako aho ary matoky fa tsy ho olana intsony ny fako ho an’ny kaominina Ambohimanambola izay manana mponina tsy mitsaha-mitombo » hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina.

«  Hita tokoa ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Ny fitantanana ny fako izay mila paik’ady mahomby tahaka izao tokoa no sady fampananan’asa ho an’ny tanora » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimanambola.

Vina lehibe napetraky ny mpitantana ny tanàna ny fifehezana ny fako sy ny fahadiovan’ny tanàna. Ankehitriny, hita misongadina isaky ny fokontany ny asa atao manodidina izany ao an-toerana. Ny fako tokoa izay miteraka olana ho an’ny mponina, indrindra manaratsy endrika ny tanàna raha tsy misy ny fandraisana an-tanana.

Laisser un commentaire