ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mila jerena akaiky ny mahakasika ny lalana ao Ambohitrombihavana

Efa ela no naneho fitarainana mahakasika ny mahazava-doza ny vokatra aterak’ity lalana eo Ambohitrombihavana ity ny mponina ao an-toerana. Ahiana hitera-doza ho an’ny rehetra,indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao izany raha tsy misy ny fandraisana fepetra, araka ny voalaza.

« Mila jeren’ny tomponandraikitra akaiky ary handraisana fepetra ny mahakasika ity foto-drafitr’asa ity satria tsy ampy ny étude technique tamin’ny fanorenena izany. Mety hitera-doza ho an’ny hafa io raha tsy misy ny fandraisana fepetra » hoy i Rivo, mpampiasa ny lalana.

« tena manimba lalana ny fisian’ireo fiara lehibe be mifamezivezy amin’ity lalana ity. Tokony ampiharina ho an’ny rehetra ny lalàna fa tsy ny hafa na ny madinika ihany no hampiharana izany. Raha misy ny fahavoazana aterak’izao dia ny mponina rehetra ny mizaka ny vokany » hoy i Hanta, mponina ao Ambohimangakely.

Fananana iombonana ny lalana ka mila kojakojaina. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fampanajana ny lalàna ao anatin’izany mba ho fiarovana ny fananana iombonana.

Laisser un commentaire