France : Rakotra ranomandry ny tapany avaratr’i Frantsa
Rakotra ranomandry ny tapany avaratr’i Frantsa, nanomboka ny alin’ny alarobia , hifoha alakamisy teo. Eo ho eo amin’ny 2ka hatramin’ny 5sm eo ny hatevin’izany ary mahatratra hatramin’ny 10sm ho an’ny faritra hafa, ao Normandie. 1 ka hatramin’ny 4sm kosa ho an’ny renivohitr’i Paris. Nikisaka mahazo ny faritra afovoan-tany, any an-toerana, ka miatsinanana ny firotsaky ny ranomandry, hatramin’ny omaly hatrany.
