Manandriana : Nahazo « Poste avancé » Zandarimaria vaovao
Efa ela tokoa no nanirian’ny mponina tao Manandriana ny hanana tobina zandarimaria. Nahazo « Poste avancé » ny kaominina Manadriana Avaradrano ankehitriny.
« Efa faniriana mihitsy ny mba hisy zandary eto an-tanàna. Any amin’ny kaominina hafa mantsy vao mba misy. Hinoana fa hihena tokoa ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto » hoy i Voahirana, mponina ao Manandriana. « Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hamafisina hatrany izany mba hisian’ny fandrosoana eto amintsika » hoy ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena.
Ny fanomezantsika vaovao ny loharanombaovao marina sy haingana ny mpitandro filaminana ihany koa dia isan’ny fandraisana anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hiaraha-misalahy tokoa mantsy ny fandriampahalemana.
Nicole Rafalimananjara
