ActualitésTsidika

Toe-karena : Asiam-panovana ny mahakasika ny hetran’ny sekoly sy ny fanafarana entana

Novolavolaina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny fanovana mahakasika ny hetra tokony aloan’ny sekoly tsy miankina sy ny fanafarana fanafody amin’ny fanjakana. Sehatra roa lehibe ho an’ny olom-pirenena ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ka tokony hisitraka izany ara-drariny avokoa ny tsirairay. Ahafahana manatratra izany tanjona izany dia ahena araka izay tokony ho izy ny hetra alohan’ny sekoly tsy miankina raha nasiam-panitsiana kosa ny mahakasika ny hetran’ny fanafarana sy ny fivarotana fanafody. Voaresaka matetika tato ato izay ity fampianarana ity ka zava-dehibe ny handraisana izany ho laharam-pahamehana amin’ny olom-pirenena.

« Mba ahafahan’ny tsirairay misitraka araka ny zony ny fampianarana sy ny fahasalamana dia nasiam-panovana ny fetran’ny hetra tokony haloan’ny sekoly tsy miankina, izany hoe nampidinina izany, raha nomena fahafahana kosa ireo mpanafatra sy mpivarotra ary mpanamboatra fanafody mba hahazo fahazoan-dalana amin’ny hetra ambany kokoa », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toe-karena.

« Ny teti-bola rehetra ahafahana manatratra ny tanjona “Plan Emergence Madagascar” dia efa nampifandraisina tamin’ny asa rehetra ho atao. Misy ireo laharam-pahamehana toy ity resaka fampianarana ity sy ireo ara-tsosialy maro sy ny resaka fizahantany, fambolena sy fiompiana ka ireny no ho tanterahina mialoha », hoy ny mpitondratenin’ny Governemanta.

Mbola tsy tanterahina eo no eo ireto fanovana ireto fa mbola ho entina eo anatrehan’ny Parlemantera ary vinavinaina ny ahazoany fankatoavana anaty fotoana fohy mba ho tombontsaon’ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire